Bokin'ny Salamo 41:10
Eny, ny sakaizako, izay maha-toky ahy sady nihinana ny haniko, no nanangana ny ombelahin-tongony hamely ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
But thou, O LORD, be merciful unto me, and raise me up, that I may requite them.
In Context
9Tena zava-dratsy, hoy izy, no aidina aminy; ary raha mandry izy dia tsy hitsangana intsony.
11Fa ianao kosa Jehovah ô, mamindrà fo amiko, ka atsangano aho mba hamaliako azy.
Read all of Bokin'ny Salamo 41
Cross References
2 Samuel 15:12Ary Absaloma naniraka naka an’ i Ahitofela Gilonita, mpanolo-tsaina an’ i Davida, avy tao an-tanànany, dia tao Gilo, raha mbola nanatitra ny fanatitra izy. Ary nihamasaka ny tetika fikomiana, ka dia nihamaro mandrakariva ny olona nomba an’ i Absaloma.
Psalms 3:3Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin’ Andriamanitra izy. [Sela.]
Psalms 21:8Fa ny mpanjaka matoky an’ i Jehovah, ary noho ny famindram-pon’ ny Avo Indrindra dia tsy hangozohozo izy.
Psalms 55:14Fa ianao, lehilahy mitovy saranga amiko, namako sy sakaizako indrindra,
Psalms 69:22Fa zava-mangidy no nomeny ho haniko; ary vinaingitra no natolony ahy hosotroina, raha nangetaheta aho.
Jeremiah 20:10Fa reko ny endrikendriky ny maro, misy fampangorohoroana manodidina. Torio, eny, hotorintsika koa izy; Izay rehetra tsara fihavanana amiko dia miandry izay hahalavoako ka manao hoe: Angamba ho voataona Izy, dia horesentsika sy hovaliantsika.