Bokin'ny Salamo 43:4
Dia hankany amin’ ny alitaran’ Andriamanitra aho, dia any amin’ Andriamanitry ny fifaliako indrindra; ary hidera Anao amin’ ny lokanga aho, ry Andriamanitra ô, dia Andriamanitro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Salamo 43
Cross References
2 Samuel 6:5Ary Davida sy ny taranak’ Isiraely rehetra nitsinjaka teo anatrehan’ i Jehovah tamin’ ny karazan’ ny zava-maneno rehetra natao tamin’ ny hazo kypreso, dia tamin’ ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny korintsana ary ny kipantsona.
Psalms 33:2Miderà an’ i Jehovah amin’ ny lokanga; mankalazà Azy amin’ ny valiha tory folo.
Psalms 57:8Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko; hihira sy hankalaza aho.
Psalms 63:2Andriamanitra ô, Andriamanitro Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin’ ny tany maina sy mangentana tsy misy rano;
Psalms 71:22Izaho kosa hidera Anao amin’ ny valiha, dia ny fahamarinanao, Andriamanitro; hankalaza Anao amin’ ny lokanga aho, ry Iray Masin’ ny Isiraely ô.
Psalms 116:12Inona no havaliko an’ i Jehovah Noho ny soa rehetra nataony tamiko?