Bokin'ny Salamo 63:2
Andriamanitra ô, Andriamanitro Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin’ ny tany maina sy mangentana tsy misy rano;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
To see thy power and thy glory, so as I have seen thee in the sanctuary.
In Context
1Salamo nataon’ i Davida, fony tany an-efitr’ i Joda izy.
3Toy izany no nijereko Anao tao amin’ ny fitoerana masìna, hahitako ny herinao sy ny voninahitrao.
Read all of Bokin'ny Salamo 63
Cross References
Exodus 33:18Ary hoy Mosesy: Mba ampahitao ny voninahitrao aho.
1 Chronicles 16:11Mitadiava an’ i Jehovah sy ny heriny, Katsaho mandrakariva ny tavany.
Psalms 27:4Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’ i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’ i Jehovah amin’ ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’ i Jehovah sy mandinika ny tempoliny.
Psalms 43:4Dia hankany amin’ ny alitaran’ Andriamanitra aho, dia any amin’ Andriamanitry ny fifaliako indrindra; ary hidera Anao amin’ ny lokanga aho, ry Andriamanitra ô, dia Andriamanitro.
Psalms 73:17Mandra-piditro tao amin’ ny fitoera-masin’ Andriamanitra ka nihevitra izay ho farany.
Psalms 78:61Dia natolony ho babo ny heriny ary ny voninahiny ho eo an-tànan’ ny fahavalo.