Bokin'ny Salamo 50:7
Mihainoa, ry oloko, fa hiteny Aho; Ry Isiraely ô, fa hanambara aminao Aho; Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitrao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Hasehon’ ny lanitra ny fahamarinany; fa Andriamanitra no Mpitsara. [Sela.]
8Tsy ny fanatitrao no ananarako anao, ary efa eo anatrehako mandrakariva ny fanatitra doranao.
Read all of Bokin'ny Salamo 50
Cross References
Exodus 19:5Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.
Deuteronomy 26:17Efa nampiteny an’ i Jehovah ianao androany fa ho Andriamanitrao Izy, ka handeha amin’ ny lalany sy hitandrina ny lalàny sy ny didiny ary ny fitsipiny ianao ary hihaino ny feony.
1 Samuel 12:22Fa Jehovah tsy hahafoy ny olony noho ny anarany lehibe, satria sitrak’ i Jehovah ny nanaovany anareo ho olony.
2 Kings 17:13Nefa ny mpaminany rehetra sy ny mpahita rehetra dia nasain’ i Jehovah nananatra ny Isiraely sy ny Joda hoe: Mialà amin’ ny lalanareo ratsy, ary tandremo ny lalàko sy ny didiko, araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razanareo sy izay nanirahako ny mpaminany mpanompoko ho aminareo.
Nehemiah 9:29Ary nananatra azy mafy Hianao hampiverenanao azy ho amin’ ny lalànao; kanefa mbola niavonavona ihany izy ka tsy nihaino ny didinao, fa nanota ny fitsipikao (iza mahavelona ny olona mankatò azy) ka nampihemotra ny sorony sy nanamafy ny hatony ary tsy nety nihaino.
Psalms 81:8Fony azom-pahoriana ianao, dia niantso Ahy, ka namonjy anao Aho; namaly anao tao amin’ ny fiafenan’ ny kotrokorana Aho, ary nizaha toetra anao tao amin’ ny ranon’ i Meriba. [Sela.]