Bokin'ny Salamo 56:5
Andriamanitra no iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ ny nofo amiko?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Every day they wrest my words: all their thoughts are against me for evil.
In Context
4Amin’ ny andro atahorako no itokiako Anao.
6Manimba ny raharahako mandra-kariva ireny; ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany.
Read all of Bokin'ny Salamo 56
Cross References
1 Samuel 18:17Ary hoy Saoly tamin’ i Davida: Indro homeko ho vadinao Meraba vavimatoako, koa mahereza ho ahy anefa ianao, ary miadia ny adin’ i Jehovah. (Fa hoy Saoly: Aoka tsy ny tanako no hamely azy, fa aoka ny tanan’ ny Filistina no hamely azy.)
1 Samuel 18:29Ary dia vao mainka natahotra an’ i Davida Saoly; ka dia tonga fahavalon’ i Davida mandrakariva izy.
1 Samuel 20:33Ary Saoly nitora-defona handefona azy, ka dia fantatr’ i Jonatana fa nofofoin’ ny rainy hovonoina Davida.
Psalms 41:7Ary raha avy mamangy, izy dia miteny zava-poana; ny fony mamory faharatsiana ho an’ ny tenany; mivoaka eny ivelany izy ka milazalaza.
Psalms 118:6Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ ny olona atao amiko?
Jeremiah 18:18Dia hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an’ i Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny lalàna avy amin’ ny mpisorona, na ny saina avy amin’ ny hendry, na ny teny avy amin’ ny mpaminany. Aoka ny vavantsika ho enti-mamely azy, ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny.