Bokin'ny Salamo 59:15
Ary miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran’ ny tanàna.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Let them wander up and down for meat, and grudge if they be not satisfied.
In Context
16Miriorio mitady hanina izy; raha tsy voky izy, dia any ihany mandritra ny alina.
Read all of Bokin'ny Salamo 59
Cross References
Deuteronomy 28:48Any amin’ ny fahanoanana sy ny hetaheta sy ny fitanjahana any ny tsi-fananana na inona na inona no hanompoanao ny fahavalonao izay hampandehanin’ i Jehovah hiady aminao; dia hanisy zioga vy amin’ ny vozonao ireny mandra-pandringany anao.
2 Kings 6:25Dia nisy mosary mafy tany Samaria; fa indro, nanao fahirano azy ireo mandra-pahatongan’ ny loham-boriky ho lafo sekely valo-polo sy ny taim-boromailala ampahefatry ny kaba ho sekely dimy.
Job 30:1Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy na dia izay tokon-jandriko aza, dia zanak’ ireo izay nolaviko tsy ho isan’ ny amboa miandry ny ondriko akory aza.
Isaiah 8:21Dia samy hivezivezy amin’ ny tany izy rehetra sady mahantra no mosarena; Ary rehefa mosarena izy, dia ho sosotra ka hanozona ny mpanjakany sy Andriamaniny, ary dia hiandrandra;
Lamentations 4:4Ny lelan’ ny zaza minono miraikitra amin’ ny lanilaniny noho ny hetaheta; Ny ankizy madinika mangataka hanina, nefa tsy misy mizara ho azy.
Lamentations 5:9Noho ny sabatra mamely any an-efitra dia manao vy very ny ainay izahay vao mahazo hanina.