Bokin'ny Salamo 6:10
Jehovah efa nandre ny fangatahako; Jehovah no handray ny fivavahako.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Let all mine enemies be ashamed and sore vexed: let them return and be ashamed suddenly.
In Context
9Mialà amiko, ianareo mpanao ratsy rehetra; fa Jehovah efa nandre ny feon’ ny fitomaniako.
11Ho menatra sy hangovitra indrindra ny fahavaloko rehetra; hihodina izy ka ho menatra tampoka.
Cross References
2 Kings 20:5Miverena, ka lazao amin’ i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho, ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho ao an-tranon’ i Jehovah ianao.
Psalms 2:5Dia hiteny azy amin’ ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin’ ny fahatezerany hoe:
Psalms 7:6Dia aoka ny fahavalo hanenjika ny fanahiko ka hahatratra azy; eny, aoka izy hanitsaka ny aiko amin’ ny tany, ary hampandry ny voninahitro amin’ ny vovoka. [Sela.]
Psalms 25:3Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao; fa izay mivadika foana no ho menatra.
Psalms 40:14Aoka ho sitraky ny fonao, Jehovah ô, ny hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy.
Psalms 71:13Aoka ho menatra sy ho levona ny mpanohitra ny fanahiko; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mitady hanisy ratsy ahy.