Bokin'ny Salamo 62:12
Indray mandeha no nitenenan’ Andriamanitra; indroa no nandrenesako hoe: an’ Andriamanitra ny hery.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Also unto thee, O Lord, belongeth mercy: for thou renderest to every man according to his work.
In Context
13Ary Anao koa, ry Tompo ô, ny famindram-po, fa Hianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy.
Read all of Bokin'ny Salamo 62
Cross References
Exodus 34:6Ary Jehovah nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana,
Job 9:19Raha ny amin’ ny herin’ ny mahery, dia: Indro ary! Ary ny amin’ ny fitsarana: Iza no hifandahatra amiko?
Job 34:11Fa ny nataon’ ny olona ihany no ampanodiaviny azy, ka mamaly ny olona rehetra araka ny lalany avy Izy.
Psalms 86:5Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka Ary be famindram-po amin’ izay rehetra miantso Anao.
Psalms 103:8Mamindra fo sy miantra Jehovah, Mahari-po sady be famindram-po.
Proverbs 24:12Raha hoy ianao: Tsia, tsy mahalala izany izahay, Moa Izay mandanja ny fo tsy hihevitra izany va? Ary Izay mandinika ny fanahinao tsy hahalala izany va? Eny, hovaliany araka ny ataony avy ny olona rehetra.