Bokin'ny Salamo 103:8
Mamindra fo sy miantra Jehovah, Mahari-po sady be famindram-po.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The LORD is merciful and gracious, slow to anger, and plenteous in mercy.
In Context
9Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy, Na mitahiry fahatezerana mandrakizay.
Read all of Bokin'ny Salamo 103
Cross References
Numbers 14:18Mahari-po Jehovah sady be famindram-po, mamela heloka sy fahadisoana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika.
Nehemiah 9:17ary nandà tsy nety nanaraka izany izy sady tsy nahatsiaro ny fahagagana izay nataonao teo aminy; fa nanamafy ny hatony izy ka niodina, dia nanendry mpitarika mba hiverenany ho any amin’ ny fahandevozany; fa Andriamanitry ny famelan-keloka Hianao ka miantra sy mamindra fo, mahari-po sady be famindram-po, ka dia tsy nahafoy azy.
Psalms 86:5Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka Ary be famindram-po amin’ izay rehetra miantso Anao.
Psalms 130:7Manantenà an’ i Jehovah, ry Isiraely; Fa eo amin’ i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana be;
Isaiah 55:7Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’ i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin’ Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
Joel 2:13Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin’ i Jehovah Andriamanitrareo; Fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin’ ny loza,