Bokin'ny Salamo 63:1
Salamo nataon’ i Davida, fony tany an-efitr’ i Joda izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Salamo 63
Cross References
Exodus 15:2Jehovah no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy; izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho, dia Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho.
1 Samuel 22:5Ary hoy Gada mpaminany tamin’ i Davida: Aza mitoetra ao amin’ ny batery fiarovana; fa mialà, ka mankanesa any amin’ ny tanin’ ny Joda. Dia nandeha Davida ka tonga tany an’ ala Hareta.
1 Samuel 23:23Koa izahao sy fantaro tsara ny fierena rehetra izay iereny, dia miverena etỳ amiko indray hilaza marimarina, ary izaho dia hiaraka aminareo; koa raha mitoetra amin’ ny tany izy, dia hotadiaviko eran’ ny arivon’ i Joda rehetra.
1 Samuel 26:3Ary nitoby tao amin’ ny havoana Hakila manandrify ny efitra teo amoron-dalana izy. Fa Davida kosa nitoetra tany an-efitra, ary hitany fa tonga nanaraka azy tany an-efitra Saoly.
1 Chronicles 16:14Jehovah, Izy no Andriamanitsika, manerana ny tany rehetra ny fitsarany.
Psalms 5:3Henoy ny feon’ ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô; fa Hianao no ivavahako.