Bokin'ny Salamo 77:15
Hianao no Andriamanitra Izay manao fahagagana; efa nampahalala ny herinao teny amin’ ny firenena Hianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Thou hast with thine arm redeemed thy people, the sons of Jacob and Joseph. Selah.
In Context
16Navotan’ ny sandrinao ny olonao, dia ny taranak’ i Jakoba sy Josefa. [Sela.]
Read all of Bokin'ny Salamo 77
Cross References
Exodus 6:6Koa lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin’ ny fanompoana mafy ampanaovin’ ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin’ ny fanompoana azy; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo.
Deuteronomy 9:26Dia nifona tamin’ i Jehovah aho ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, aza mandringana ny firenenao sy ny lovanao, izay navotanao tamin’ ny fahalehibiazanao ka nentinao nivoaka avy tany Egypta tamin’ ny tananao mahery.
Joshua 3:5Ary hoy Josoa tamin’ ny olona: Manamasìna ny tenanareo: fa rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo Jehovah.
Psalms 74:2Tsarovy ny fiangonanao izay efa azonao fahiny, ilay navotanao ho firenena lovanao, dia ny tendrom-bohitra Ziona izay nonenanao.
Isaiah 63:9Tamin’ ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy, ary Ilay Anjelin’ ny tavany no namonjy ireo; ny fitiavany sy ny famindram-pony no nanavotany azy sy nivimbinany azy ary nitondrany azy tamin’ ny andro taloha ela rehetra.