Bokin'ny Salamo 77:18
Nandatsaka ranonorana ny rahona; nikotrokotroka ny lanitra; nifanaretsaka koa ny zana-tsipìkanao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Salamo 77
Cross References
Exodus 19:16Ary nony tamin’ ny marain’ ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin’ ny tendrombohitra, ary nisy feon’ anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby.
Judges 5:4Jehovah ô, fony nivoaka avy tany Seïra Hianao ary nandeha avy tany amin’ ny tany Edoma, dia nihorohoro ny tany, ary ny lanitra koa nitete; Eny, ny rahona matevina nitete rano.
2 Samuel 22:14Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo.
Psalms 18:7Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an’ i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny.
Psalms 18:15Dia nandefa ny zana-tsipìkany Izy ka nampiely ny fahavaloko. Ary nampandeha helatra be ka nampifanaritaka azy.
Psalms 97:4Mahazava izao tontolo izao ny helany; Mahita izany ny tany ka mihorohoro.