Bokin'ny Salamo 79:3
Ny ràny naidiny manodidina an’ i Jerosalema tahaka ny rano, ary tsy nisy handevina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Their blood have they shed like water round about Jerusalem; and there was none to bury them.
In Context
4Tonga fandatsan’ ny namanay izahay, sady faneso sy fanakoran’ izay manodidina anay.
Read all of Bokin'ny Salamo 79
Cross References
Psalms 141:7Toy ny fiasa sy ny fihevo ny tany No nanelezana ny taolanay teo am-bavan’ ny fiainan-tsi-hita.
Jeremiah 14:16Ary ny firenena izay aminanian’ ireo koa dia hiely faty eny an-dalamben’ i Jerosalema noho ny mosary sy ny sabatra, ka tsy hisy mpandevina ireny, na ny tenany, na ny vadiny, na ny zananilahy, na ny zananivavy, fa haidiko ao aminy ny faharatsiany.
Jeremiah 16:4Ho fatin’ ny loza samy hafa izy, nefa tsy hisaonana na halevina, fa ho zezika eny ambonin’ ny tany; ary ho lanin-tsabatra sy mosary izy, ka ho fihinan’ ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny.
Jeremiah 34:20dia hatolotro eo an-tànan’ ny fahavalony sy eo an-tànan’ izay mitady ny ainy, ary ho fihinan’ ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny.
Matthew 23:35mba hanody anareo ny rà marina rehetra, izay nalatsaka tambonin’ ny tany, hatramin’ ny ran’ i Abela marina ka hatramin’ ny ran’ i Zakaria, zanak’ i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan’ ny tempoly sy ny alitara.
Revelation 11:9Ary ny olona sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena maro dia misy mijery ny fatiny hateloan’ andro sy tapany; ary tsy avelany halevina ao am-pasana ny fatiny.