Bokin'ny Salamo 81:3
Asandrato ny hira, ka velezo ny ampongatapaka, ary tendreo ny lokanga mahafinaritra mbamin’ ny valiha.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Blow up the trumpet in the new moon, in the time appointed, on our solemn feast day.
In Context
2Mihobia ho an’ Andriamanitra herintsika; manaova feo fifaliana ho an’ Andriamanitr’ i Jakoba.
4Tsofy ny anjomara amin’ ny volana; eny, amin’ ny feno-volana, dia amin’ ny andro firavoravoantsika.
Read all of Bokin'ny Salamo 81
Cross References
Leviticus 23:24Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ny andro voalohany amin’ ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana amin’ ny fitsofana trompetra, ho fivoriana masìna.
Numbers 15:3ka manatitra fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia omby na ondry aman’ osy hatao fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-drà hanalana voady, na amin’ ny sitrapo na amin’ ny fotoam-pivavahanareo, hanaovana hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah:
Deuteronomy 16:15Hafitoana no itandremanao andro firavoravoana ho an’ i Jehovah Andriamanitrao eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah, satria hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin’ ny vokatrao rehetra sy ny asan-tananao rehetra, ka dia hifaly tokoa ianao.
1 Chronicles 15:16Ary ireo lehiben’ ny Levita dia nasain’ i Davida nanendry ny mpihira rahalahiny hitondra ny zava-maneno, dia ny valiha sy ny lokanga ary hampaneno ny kipantsona, mba hanandra-peo amin’ ny fifaliana.
1 Chronicles 15:24Ary Sebania sy Josafata sy Netanela sy Amasay sy Zakaria sy Benaia ary Eliezera, izay samy mpisorona, no nitsoka ny trompetra teo alohan’ ny fiaran’ Andriamanitra, ary Obed-edoma sy Jehia koa no mpiandry varavarana amin’ ny fiara.
1 Chronicles 16:42Ary tao amin’ i Hemana sy Jedotona nisy trompetra sy kipantsona ho an’ izay mampaneno ary ny fomban’ ny zava-manenon’ Andriamanitra. Ary ny zanak’ i Jedotona no mpiandry varavarana.