The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Deoteronomia › Bokin'ny Deoteronomia 16 › Bokin'ny Deoteronomia 16:15

Bokin'ny Deoteronomia 16:15

Hafitoana no itandremanao andro firavoravoana ho an’ i Jehovah Andriamanitrao eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah, satria hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin’ ny vokatrao rehetra sy ny asan-tananao rehetra, ka dia hifaly tokoa ianao.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Seven days shalt thou keep a solemn feast unto the LORD thy God in the place which the LORD shall choose: because the LORD thy God shall bless thee in all thine increase, and in all the works of thine hands, therefore thou shalt surely rejoice.

In Context

14Ary mifalia amin’ ny andro firavoravoanao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita mbamin’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao.

16Intelo isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao, eo amin’ ny tany izay hofidiny, dia amin’ ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehan’ i Jehovah;

Read all of Bokin'ny Deoteronomia 16

Cross References

Leviticus 23:36Hafitoana no hanateranareo fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; ary amin’ ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masìna ho anareo koa, ka hanatitra fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah ianareo; fara-fivoriana izany, koa aza manao tao-zavatra akory.

Deuteronomy 7:13dia ho tia anao sy hitahy anao ary hahamaro anao Izy; ary Izy hitahy ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao, dia ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao, ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman’ osinao any amin’ ny tany izay nianianany tamin’ ny razanao homena anao.

Deuteronomy 16:10Ary mitandrema andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, ka manatera fanati-tsitrapo, izay homenao araka izay itahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao;

Deuteronomy 30:16tamin’ ny nandidiako anao androany ho tia an’ i Jehovah Andriamanitrao ka handeha amin’ ny lalany ary hitandrina ny didiny sy ny lalàny ary ny fitsipiny, mba ho velona ianao ka hihamaro, ary mba hitahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao any amin’ ny tany izay efa hidiranao holovana.

Esther 9:22dia araka ny andro nahafahan’ ny Jiosy tamin’ ny fahavalony, sy ny volana izay nampodiana ny alahelony ho fifaliana ary ny fitomaniany ho andro mahafaly, mba hatao ho andro fanasana sy fifaliana sy fifanateran-javatra ary fanomezan-javatra ho an’ ny mahantra izany.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Deoteronomia 16:15

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Deoteronomia 16:14Bokin'ny Deoteronomia 16Bokin'ny Deoteronomia 16:16 →