Bokin'ny Salamo 89:43
Efa nampisandratra ny tanana ankavanan’ ny rafilahiny Hianao Ary efa nampifaly ny fahavalony rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Thou hast also turned the edge of his sword, and hast not made him to stand in the battle.
In Context
42Izay rehetra mandalo eny an-dalana dia manimba azy; Efa fandà-tsan’ ny mpiray monina aminy izy.
44Efa nampihemotra ny lelan’ ny sabany Hianao Ka tsy nampaharitra azy tamin’ ny ady.
Read all of Bokin'ny Salamo 89
Cross References
Leviticus 26:36Ary ny amin’ ny sisa aminareo any amin’ ny tanin’ ny fahavalony, dia hampiditra faharerahana ao am-pony Aho, ka na dia ny feon’ ny ravin-kazo voapaoka aza dia hampandositra azy; ary handositra tahaka ny mandosi-tsabatra izy ka ho lavo, na dia tsy misy manenjika aza.
Numbers 14:45Dia nidina ny Amalekita sy ny Kananita, izay nonina teo amin’ izany tendrombohitra izany, ka namely azy ary nanorotoro azy hatrany Horma.
Joshua 7:8Indrisy, Tompo ô! inona intsony no holazaiko, fa ny Isiraely efa niamboho teo anoloan’ ny fahavalony?
Psalms 44:10Fa efa nanary anay ianao ka nampahamenatra anay, ary tsy mba mivoaka miaraka amin’ ny antokon’ ny miaramilanay Hianao.
Ezekiel 30:21Ry zanak’ olona, ny sandrin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, dia efa notorotoroiko, ary he! tsy noharatoina mba ho sitrana izy, na nofehezina lamba, mba hanatanjaka azy hahatan-tsabatra.