Bokin'ny Salamo 9:8
Kanefa Jehovah mitoetra mandrakizay, efa nametraka ny sezany hitsarany Izy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 18:25Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin’ ny meloka, ka ny marina hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?
Psalms 10:16Jehovah no Mpanjaka mandrakizay doria; voafongotra tsy ho amin’ ny taniny intsony ny jentilisa.
Psalms 50:6Hasehon’ ny lanitra ny fahamarinany; fa Andriamanitra no Mpitsara. [Sela.]
Psalms 96:13Eo anatrehan’ i Jehovah, fa avy Izy, Eny, avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy Ary ny firenena amin’ ny fahamarinany.
Psalms 99:4Ny herin’ ny mpanjaka dia tia rariny; Ampitoerinao ny fahitsiana; Fitsarana sy fahamarinana no ataonao eo amin’ i Jakoba.
Jeremiah 10:10Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay. Izay mampihorohoro ny tany amin’ ny fahatezerany, ka tsy tantin’ ny firenena ny fahavinirany