Bokin'ny Salamo 96:5
Fa ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona; Fa Jehovah no nanao ny lanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For all the gods of the nations are idols: but the LORD made the heavens.
In Context
Read all of Bokin'ny Salamo 96
Cross References
Psalms 8:4Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao,
Psalms 115:15Hitahy anareo anie Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
Psalms 135:18Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.
Isaiah 42:5Izao no lazain’ i Jehovah Andriamanitra, Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, Izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, Izay manome fofonaina ny olona eo aminy sy fanahy ho an’ izay mandeha eo aminy:
Isaiah 46:1Mangozohozo Bela, efa miraika Nebo, ny sampiny dia nampitondraina ny biby folahina sy ny biby fiompy; Ny zavatra fitondranareo dia asampy ka tonga enta-mavesatra entin’ ireo biby reraka.
Jeremiah 10:11(Izao no holazainareo amin’ ireny; Ny amin’ ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia ho levona tsy ho amin’ ny tany na ho atỳ ambanin’ ny lanitra ireny)