Bokin'ny Salamo 99:8
Jehovah Andriamanitray ô, Hianao no namaly ny nataony; Andriamanitra, Mpamela ny helony, Hianao, Na dia namaly azy noho ny nataony aza.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Salamo 99
Cross References
Exodus 32:34Mandehana ankehitriny, ka ento ny olona ho any amin’ izay efa nolazaiko taminao; indro, ny Anjeliko no hitarika anao eo aloha; ary amin’ izay andro hamaliako dia hamaly azy noho ny fahotany Aho.
Numbers 11:33Fa raha mbola teo am-bavany ny hena ka tsy mbola lany, dia nirehitra tamin’ ny olona ny fahatezeran’ i Jehovah, ary namely ny olony tamin’ ny kapoka mafy indrindra Izy.
Numbers 20:12Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona hoe: Satria tsy nino Ahy ianareo hanamasina Ahy eo imason’ ny Zanak’ Isiraely, dia tsy hitondra izao fiangonana izao ho any amin’ ny tany izay nomeko azy ianareo.
Deuteronomy 3:26Fa tezitra tamiko Jehovah noho ny aminareo ka tsy nihaino ahy; dia hoy Jehovah tamiko: Aoka izay, fa aza miteny amiko intsony ny amin’ izany zavatra izany ianao.
2 Samuel 12:14Nefa noho ny nampitenenanao ratsy ny fahavalon’ i Jehovah amin’ izany zavatra izany dia ho faty tokoa ny zaza izay haterakao.
Psalms 89:33Dia hovaliako tsorakazo ny fahadisoany, Ary kapoka ny helony.