Apokalypsin'i Jaona 11:2
Fa ny kianja eo ivelan’ ny tempoly dia avelao ihany, fa aza mba refesina; fa nomena ny jentilisa izany, ka hanitsaka ny tanàna masìna roa amby efa-polo volana izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 11
Cross References
Psalms 79:1Salamo nataon’ i Asafa. Andriamanitra ô, tonga eto amin’ ny lovanao ny jentilisa, ka nandoto ny tempolinao masìna sady nanao an’ i Jerosalema ho korontam-bato.
Isaiah 52:1Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Ziona ô; tafio ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema ô, tanàna masìna; fa tsy hiditra any aminao intsony ny tsy voafora sy ny maloto.
Ezekiel 40:17Dia nentiny ho any amin’ ny kianja ivelany aho, ary, indro, nisy efi-trano madinika sy lampivato teny amin’ ny kianja manodidina: nisy efi-trano telo-polo teny amin’ ny lampivato.
Daniel 7:19Dia naniry hahalala izay fototra marina ny amin’ ny fahefatra aho, dia ilay biby hafa noho izy rehetra sady mahatsiravina indrindra izay nanana nify vy sy hoho varahina sady nihinana sy nanotahota, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen’ ny tongony;
Daniel 8:10Ary nihalehibe izy ka nihatra tamin’ ireo maro be eny amin’ ny lanitra; ary nisy nazerany ho amin’ ny tany ireo maro be sy ny kintana ka nohitsakitsahiny.
Daniel 12:7Ary ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin’ ny rano amin’ ny ony, dia nanandratra ny tànany ankavanana sy ny tànany ankavia ho amin’ ny lanitra ka reko nianiana tamin’ Izay velona mandrakizay izy fa ho fetr’ andro iray sy fetr’ andro roa ary antsasaky ny fetr’ andro; ary rehefa vita ny fanamontsamontsanana ny herin’ ny olo-masìna, dia ho tanteraka ireo rehetra ireo.