Apokalypsin'i Jaona 12:5
ary niteraka zazalahy izy, izay efa hanapaka ny firenena rehetra amin’ ny tehim-by; ary ny zanany novonjena faingana nakarina ho any amin’ Andriamanitra, dia ho any amin’ ny seza fiandrianany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 12
Cross References
Psalms 2:9Hotorotoroinao amin’ ny tehim-by izy: toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy.”
Jeremiah 31:22Mandra-pahoviana no hirioriovanao, ry zanakavavy mpiodina? Fa Jehovah efa namorona zava-baovao amin’ ny tany: Vehivavy no hanodidina lehilahy.
Matthew 1:25Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Jesosy.
2 Corinthians 12:2Mahalala olona anankiray ao amin’ i Kristy aho, tokony ho efatra ambin’ ny folo taona lasa izay ― na tao amin’ ny tena, na tsy tao amin’ ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala ― ilay anankiray dia nakarina ho any amin’ ny lanitra fahatelo.
Revelation 11:12Ary nahare feo mahery avy tany an-danitra izy roa nanao taminy hoe: Miakara atỳ. Dia niakatra ho any an-danitra tao anatin’ ny rahona ireo; ary nahatsinjo azy ny fahavalony.
Revelation 19:15Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin’ ny vavany mba hamelenany ny firenena; ary Izy hanapaka azy amin’ ny tehim-by; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny divain’ ny firehetan’ ny fahatezeran’ Andriamanitra Tsitoha.