Apokalypsin'i Jaona 2:12
Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Pergamosy: Izao no lazain’ ilay manana ny sabatra roa lela maranitra:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 2
Cross References
Isaiah 11:4Fa hotsarainy amin’ ny fahamarinana ny malahelo; Ary homeny rariny ny mpandefitra amin’ ny tany; hamely ny tany amin’ ny tsorakazon’ ny vavany Izy, ary ny fofonain’ ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy.
Revelation 1:11nanao hoe: Izay zavatra hitanao dia soraty eo amin’ ny boky, ka ampitondray ho any amin’ ny fiangonana fito, dia ho any Efesosy sy Smyrna sy Pergamosy sy Tyatira sy Sardisy sy Filadelfia ary Laodikia.
Revelation 2:1Soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Efesosy. Izao no lazain’ ilay miharona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan’ ny fanaovan-jiro volamena fito:
Revelation 19:15Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin’ ny vavany mba hamelenany ny firenena; ary Izy hanapaka azy amin’ ny tehim-by; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny divain’ ny firehetan’ ny fahatezeran’ Andriamanitra Tsitoha.