Apokalypsin'i Jaona 2:24
Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon’ ireo hoe “sain-dalin’ i Satana”, dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa ianareo;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
25kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko.
Read all of Apokalypsin'i Jaona 2
Cross References
Acts 15:28Fa sitraky ny Fanahy Masìna sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany:
2 Corinthians 2:11fandrao ho resin’ ny fitak’ i Satana isika, fa fantatsika ny hafetseny.
2 Corinthians 11:13Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin’ i Kristy.
2 Thessalonians 2:9ny fihavin’ ilehiny dia araka ny fiàsan’ i Satana amin’ ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra
Revelation 13:14Ary mamitaka izay monina ambonin’ ny tany izy amin’ ny famantarana izay nomena ary hatao eo imason’ ny bibi-dia, sady milaza amin’ izay monina ambonin’ ny tany koa mba hanao sary ho an’ ny bibi-dia, izay voan’ ny sabatra, nefa velona ihany.