Apokalypsin'i Jaona 22:1
Ary izy naneho ahy onin’ ny ranon’ aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra sy ny Zanak’ ondry
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 22
Cross References
Psalms 46:4Na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany, ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany. [Sela.]
Isaiah 48:18Toy izay anie ianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao,
Jeremiah 2:13Fa zava-dratsy roa loha no nataon’ ny oloko: Efa nahafoy Ahy, loharanon’ aina, izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an’ ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano.
Ezekiel 47:1Dia nentiny niverina ho eo amin’ ny varavaran’ ny trano aho; ary, indro, nisy rano niboika avy eo atsinanana eo ambanin’ ny tokonan’ ny trano; fa manatrika ny atsinanana ny trano, ary ny rano nidina avy teo ambanin’ ny lafiny ankavanan’ ny trano teo atsimon’ ny alitara.
John 4:10Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha fantatrao ny fanomezan’ Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona.
John 7:38Izay mino Ahy, dia hisy onin’ ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan’ ny Soratra Masìna.