Apokalypsin'i Jaona 4:6
Ary teo anoloan’ ny seza fiandrianana dia nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vato krystaly; ary teo afovoan’ ny seza fiandrianana sy manodidina azy nisy zava-manan’ aina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy ny ivohony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 4
Cross References
Exodus 38:8Ary ny tavy varahina sy ny faladiany varahina dia nataony tamin’ ny fitaratra varahin’ ny vehivavy izay nanompo teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
Job 28:17Ny volamena sy ny fitaratra tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy azo takalozana firavaka tena volamena izy.
Ezekiel 10:12Ary feno maso manodidina ny tenany rehetra sy ny lamosiny sy ny tànany sy ny elany mbamin’ ny kodia; izy efatra dia samy nisy kodia avokoa.
Revelation 4:8Ary ny zava-manan’ aina efatra dia samy nanana elatra enina avy, sady feno maso ny tenany rehetra manodidina ka hatrao anatiny; ary tsy mitsahatra andro aman’ alina izy manao hoe: Masìna, masìna, masìna ny Tompo Andriamanitra Tsitoha, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy.
Revelation 5:14Ary ny zava-manan’ aina efatra nanao hoe: Amena. Ary ny loholona dia niankohoka ka nivavaka.
Revelation 7:17Fa ny Zanak’ ondry Izay eo afovoan’ ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ ny loharanon’ ny ranon’ aina; ary hofafan’ Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ ny masony.