Apokalypsin'i Jaona 4:5
Ary nisy helatra sy feo ary kotrokorana nivoaka avy tamin’ ny seza fiandrianana; ary nisy jiro fito nirehitra teo anoloan’ ny seza fiandrianana, dia Fanahy fiton’ Andriamanitra ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 4
Cross References
Exodus 19:16Ary nony tamin’ ny marain’ ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin’ ny tendrombohitra, ary nisy feon’ anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby.
Exodus 37:23Ary nanao ny lela fanaovan-jirony fito sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony tamin’ ny volamena tsara izy.
Psalms 18:13Ary teo amin’ ny famirapiratana teo anatrehany dia nandalo ny rahony matevina havandra sy vainafo.
Ezekiel 1:13Ary tahaka ny vainafo mirehitra ny fijery ny zava-manan’ aina, dia tahaka ny fijery ny fanilo; nivoivoy teny anelanelan’ ny zava-manan’ aina ny afo; ary namirapiratra ny afo, sady nisy helatra nivoaka avy tao aminy.
Zechariah 4:2Dia hoy izy tamiko: Inona no hitanao? Ary hoy izaho: Hitako fa, indro, misy fanaovan-jiro tena volamena, ary ny fitoeran-diloilony dia eo an-tampony, ary ny lela fanaovan-jirony fito kosa dia eo aminy, ary misy fantsona fito avy amin’ ny isan’ ny lela fanaovan-jiro izay eo an-tampony;
Matthew 3:11Izaho dia manao batisa anareo amin’ ny rano ho amin’ ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ ny Fanahy Masìna sy ny afo;