Apokalypsin'i Jaona 6:11
Ary samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina niala sasatra kely aloha izy mandra-pahatapitry ny mpanompo namany sy ny rahalahiny, izay efa hovonoina tahaka azy koa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 6
Cross References
Daniel 12:13Fa mandehana ianao mandra-pihavin’ ny farany; fa hitsahatra ianao ka hitsangana ho ao amin’ ny anjaranao amin’ ny andro farany.
Matthew 23:34Ary noho izany, indro, Izaho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna ho atỳ aminareo; koa ny sasany hovonoinareo sy hohomboanareo amin’ ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokapohinareo ao amin’ ny synagoganareo sy henjehinareo mitety vohitra,―
Hebrews 11:40fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa mby eo koa isika.
Revelation 7:9Rehefa afaka izany dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ ny Zanak’ ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany,
Revelation 13:15Ary navela hanisy aina ny sarin’ ny bibi-dia izy, mba hahateny ny sarin’ ny bibi-dia, ary hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan’ ny sarin’ ny bibi-dia.
Revelation 17:6Ary hitako fa, indro, ravehivavy dia leon’ ny ran ny olona masìna sy ny ran’ ny martioran’ i Jesosy; koa raha nahita azy aho, dia gaga indrindra.