Apokalypsin'i Jaona 8:1
Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahafito, dia nangina tokony ho antsasaky ny ora ny tany an-danitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 8
Cross References
Psalms 37:7Miantombena tsara miandry an’ i Jehovah ianao ka manantenà Azy; Aza tezitra amin’ izay ambinina amin’ ny lalany dia amin’ izay olona manao sain-dratsy.
Habakkuk 2:20Jehovah dia ao amin’ ny tempoliny masìna; Mangìna eo anatrehany, ry tany rehetra!
Revelation 5:1Ary hitako fa, indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voapetaka mafy tamin’ ny tombo-kase fito, teo an-tanana ankavanan’ ilay nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianana.
Revelation 6:1Ary nahita aho, rehefa novahan’ ny Zanak’ ondry ny anankiray tamin’ ny tombo-kase fito, ary reko ny anankiray tamin’ ny zava-manan’ aina efatra, tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana, nanao hoe: Avia.
Revelation 6:5Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahatelo, dia reko ny zava-manan’ aina fahatelo nanao hoe: Avia. Ary hitako fa, indro, nisy soavaly mainty: ary izay nitaingina azy nitondra mizàna teny an-tànany.
Revelation 6:9Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambanin’ ny alitara ny fanahin’ izay voavono noho ny tenin’ Andriamanitra sy ny filazana izay nohazoniny.