Apokalypsin'i Jaona 8:5
Ary ny anjely nandray ny lovia fandoroana ditin-kazo manitra, dia nameno azy tamin’ ny afo teo amin’ ny alitara ka nanipy izany tamin’ ny tany; dia nisy kotrokorana sy feo sy helatra ary horohorontany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Ary ny anjely fito izay nanana ny trompetra fito dia niomana hitsoka.
Read all of Apokalypsin'i Jaona 8
Cross References
2 Samuel 22:7Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an’ i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako dia efa tonga eo an-tsofiny.
Psalms 18:13Ary teo amin’ ny famirapiratana teo anatrehany dia nandalo ny rahony matevina havandra sy vainafo.
Isaiah 30:30Ary Jehovah hanandratra ny feon’ ny fiandrianany sy hampiseho ny fiantefan’ ny sandriny amin’ ny firehetan’ ny fahatezerana sy ny lelafo mandevona sy ny ranonoram-baratra sy ny orana mifafy ary ny havandra vaventy.
Isaiah 66:14Dia hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo, Ary ny taolanareo ho tsara fitombo tahaka ny ahi-matiso; Ary ny tànan’ i Jehovah dia ataony fantatry ny mpanompony, Fa ho tezitra amin’ ny fahavalony kosa Izy.
Ezekiel 10:2Ary niteny tamin-dralehilahy nitafy rongony fotsy Izy nanao hoe: Midìra eo anelanelan’ ny kodia, dia eo ambanin’ ny kerobima, ary fenoy vain’ afo avy eo anelanelan’ ny kerobima ny tananao roa, ka afafazo amin’ ny tanàna izany. Dia niditra teo imasoko izy.
Matthew 24:7Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin’ ny tany samy hafa.