Apokalypsin'i Jaona 8:7
Ary ny voalohany nitsoka, dia nisy havandra sy afo miharoharo rà, ka nararaka tamin’ ny tany irany; ary may ny ampahatelon’ ny tany, ary may ny ampahatelon’ ny hazo, ary may koa ny ahi-maitso rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Ary ny anjely fito izay nanana ny trompetra fito dia niomana hitsoka.
Read all of Apokalypsin'i Jaona 8
Cross References
Exodus 9:23Dia nahinjitr’ i Mosesy manandrify ny lanitra ny tehiny; ary Jehovah nanisy kotrokorana sy havandra, ary nisy afo nifanaretsadretsaka teny ambonin’ ny tany; ary Jehovah nandatsaka havandra tamin’ ny tany Egypta.
Joshua 10:11Ary nony nandositra teo anoloan’ ny Isiraely teo am-pidinan’ i Beti-horona izy, Jehovah dia nandatsaka havandra vaventy taminy avy tany an-danitra hatrany Azeka ka nahafaty azy; ary be lavitra ny matin’ ny havandra noho izay novonoin’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny sabatra.
Psalms 18:12Efa nanao ny maizina ho fiereny sy tranony manodidina Azy Izy, dia rahona ngalingaly rahona matevina.
Psalms 105:32Nahatonga havandra ho solon’ ny ranonorana Izy Sy afo midedadeda teny amin’ ny taniny.
Isaiah 10:17Ary ny fahazavan’ ny Isiraely ho tonga afo, ary ny Iray Masiny ho tonga lelafo, ka hodorany ho levona indray andro monja ny tsilony sy ny heriny;
Isaiah 29:6Avy amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no hihavian’ ny famaliana, dia kotrokorana sy horohoron-tany ary rohondrohona mafy, tadio sy tafio-drivotra ary lelafo mandevona.