Romans 13:3
Fa ny mpanapaka dia tsy mba tahotry ny manao tsara, fa ny manao ratsy ihany. Ary ny tsy hatahotra ny fahefana va no tianao? Ataovy ary izay tsara, dia hahazo dera avy aminy ianao;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Proverbs 14:35Ny fankasitrahan’ ny mpanjaka dia amin’ ny mpanompo hendry; Fa ny fahatezerany kosa amin’ ny manao izay mahamenatra.
Ecclesiastes 10:4Raha tezeran’ ny mpanapaka ianao, aza miala amin’ ny fitoeranao; fa ny fahatsindriam-po mahasakana ny fahadisoana lehibe.
Romans 13:4fa mpanompon’ Andriamanitra izy hahatsara anao. Fa raha ratsy kosa no nataonao, dia matahora’ fa tsy entiny foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon’ Andriamanitra izy, dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin’ izay manao ratsy.
1 Peter 3:13Ary iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin’ izay tsara ianareo?