Romans 13:4
fa mpanompon’ Andriamanitra izy hahatsara anao. Fa raha ratsy kosa no nataonao, dia matahora’ fa tsy entiny foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon’ Andriamanitra izy, dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin’ izay manao ratsy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Joshua 20:5Ary raha manenjika azy ny mpamaly rà, dia tsy hanolotra ilay nahafaty olona ho eo an-tànany izy, satria nahafaty tsy nahy ny namany, fa tsy dia nankahala azy teo aloha.
1 Kings 10:9Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao, Izay tia anao ka nametraka anao amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely; fa noho ny fitiavan’ i Jehovah, izay itiavany ny Isiraely mandrakizay, no nanaovany anao ho mpanjaka mba hanao fitsarana sy fahamarinana.
Psalms 82:2Mandra-pahoviana no hitsarànareo tsy marina ka ihenaranareo maso ny ratsy fanahy? [Sela.]
Proverbs 20:2Ny fampitahoran’ ny mpanjaka dia toy ny fieron’ ny liona tanora; Izay mampahatezitra azy dia mankahà-doza hihatra amin’ ny ainy,
Proverbs 20:26Ny mpanjaka hendry mikororoka manaisotra ny ratsy fanahy Sady mitarika ny kodia fivelezana eo amboniny.
Proverbs 31:8Sokafy ny vavanao hisolo ny moana, Hahazoan’ ny kamboty ny rariny;