Epistily ho an'ny Romana 13:6
Fa noho izany no andoavanareo vola hetra; fa mpanompon’ Andriamanitra mitandrina izany zavatra izany indrindra ireny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 13
Cross References
Deuteronomy 1:9Ary niteny taminareo tamin’ izany andro izany aho ka nanao hoe: Tsy zakako izaho irery ny hitondra anareo;
2 Samuel 8:5Ary tonga ny Syriana avy tany Damaskosy hanampy an’ i Hadadezera, mpanjakan’ i Zoba; dia nahafatesan’ i Davida olona roa arivo sy roa alina koa ny Syriana.
Ezra 4:13Koa aoka ho fantatry ny mpanjaka fa raha hatao io tanàna io, ka hatsangana indray ny mandany, dia tsy hety handoa hetra, na haba, na sara, izy; ka dia hahatonga fatiantoka ho an’ ny fanjakana izany any aoriana.
Ezra 6:8Ary izaho manao didy ny amin’ ny hataonareo amin’ ny loholon’ ireo Jiosy ireo hanaovany izany tranon’ Andriamanitra izany: aoka ny haren’ ny mpanjaka, dia ny hetra avy amin’ ny any an-dafin’ ny ony, no handoavana marina izay lany ho an’ ireo lehilahy ireo, mba tsy ho azon-tsampona izy.
Job 29:7Raha niainga niakatra ho eo amin’ ny vavahadin’ ny tanàna aho ka nametraka ny fipetrahako teo an-kalalahana,
Matthew 22:17Koa lazao aminay ary izay hevitrao: Moa mety va ny mandoa vola hetra ho an’ i Kaisara, sa tsia?