Epistily ho an'ny Romana 13:7
Mandoava amin’ izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an’ izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an’ izay tokony handoavana fadin-tseranana’ tahotra ho an’ izay tokony hatahorana, haja ho an’ izay tokony hohajaina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 13
Cross References
Leviticus 19:3Samia matahotra ny reninareo sy ny rainareo, ary tandremo ny Sabatako: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
1 Samuel 12:18Ary Samoela niantso an’ i Jehovah, ary Jehovah nahatonga kotrokorana sy orana tamin’ izany andro izany; ary ny vahoaka rehetra dia natahotra an’ i Jehovah sy Samoela indrindra.
Proverbs 24:21Anaka, matahora an’ i Jehovah sy ny mpanjaka; Ary aza mikambana amin’ izay miovaova;
Matthew 22:21Hoy izy taminy: An’ i Kaisara. Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an’ i Kaisara ary izay an’ i Kaisara, ary ho an’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra.
Luke 20:25Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an’ i Kaisara ary izay an’ i Kaisara, ary ho an’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra.
Ephesians 5:33Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy.