Epistily ho an'ny Romana 2:21
ka moa ianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va? Hianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va ianao?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 2
Cross References
Psalms 50:16Fa amin’ ny ratsy fanahy kosa dia hoy Andriamanitra: ahoana no itorianao ny lalàko sy itondranao ny fanekeko eo am-bavanao?
Isaiah 56:11Lian-kanina ireny amboa ireny; ka tsy mahalala voky, sady mpiandry tsy mahafantatra ireny; samy efa nivily ho amin’ ny lalany avy izy rehetra, samy mankamin’ ny filàny harena avokoa izy rehetra.
Ezekiel 22:27Toy ny amboadia mamiravira haza ny lehibeny ao aminy ka mandatsa-drà sy mahafaty aina ary mahazo harena amin’ ny tsy marina.
Micah 3:11Ny mpifehiny mitsara hahazoany kolikoly, Ary ny mpisorony mampianatra hahazoany karama, Ary ny mpaminany manao fankatovana hahazoany vola; Nefa Jehovah mbola iankinany ihany hoe: Tsy ato amintsika va Jehovah? Tsy hisy loza hanjo antsika.
Matthew 23:3koa amin’ izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao.
Luke 11:46Fa hoy Jesosy: Lozanareo, mpahay lalàna koa! fa mampitondra ny olona entana sarotra entina ianareo, nefa tsy manendry izany entana izany akory ianareo, na dia amin’ ny rantsan-tananareo iray aza.