Boky voalohan'i Samoela 2:13
Dia hoy Izy: Aoka hahita fitia eo imasonao aho, tompokolahy; fa efa nampifaly ahy ianao, ary efa niteny mora tamin’ ny zatovovavinao, na dia tsy tahaka ny anankiray amin’ ny zatovovavinao aza aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'i Samoela 2
Cross References
Genesis 33:8Ary hoy Esao: Inona moa no hevitr’ ireny antokony rehetra nifanena tamiko ireny? Ary hoy izy: Mba hahitako fitia eto imason’ itompokolahy.
Genesis 33:15Ary hoy Esao: Masìna ianao, aoka ary mba hamelako hiaraka aminao ny olona izay momba ahy. Fa hoy Jakoba: Ahoana no anaovanao izany? Aoka hahita fitia eto imason’ itompokolahy aho.
Genesis 43:14ary Andriamanitra Tsitoha anie hampahita famindram-po anareo eo anatrehan-dralehilahy, mba hampodiny ny rahalahinareo anankiray sy Benjamina. Ary izaho, raha foanana anaka aho, dia foana anaka ihany.
1 Samuel 1:18Ary hoy izy: Aoka hahita fitia eo imasonao ny ankizivavinao. Dia lasa nandeha ravehivavy, ary nihinana izy ka tsy nalahelo tarehy intsony.
2 Samuel 16:4Dia hoy ny mpanjaka tamin’ i Ziba: Indro, anao izay rehetra an’ i Mefiboseta. Ary hoy Ziba: Trarantitra anie ianao, aoka hahazo fitia eto imasonao aho, ry mpanjaka tompoko.
Hosea 2:16Koa, indro, Izaho dia hitaona azy ka hitondra azy ho any an-efitra ary hanao teny malefaka hahafinaritra azy.