Boky voalohan'i Samoela 2:8
Dia hoy Boaza tamin’ i Rota: Tsy mandre va ianao, anaka? Aza mandeha hitsimpona any an-tanimbary hafa na miala eto ianao, fa mitoera eto anilan’ ny zatovovavy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'i Samoela 2
Cross References
Leviticus 19:9Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny; ary aza tsimponina izay latsaka avy amin’ ny vokatrao.
1 Samuel 3:16Fa Ely niantso an’ i Samoela ka nanao hoe: Ry Samoela, zanako! Dia hoy izy: Inty aho.
Song of Solomon 1:7Lazao amiko, ry ilay tian’ ny fanahiko, izay iandrasanao ny ondrinao, sy izay ampandrianao azy raha antoandro; Fa nahoana no ho tahaka izay mivezivezy foana aho Eny amin’ ny andian’ ny namanao?
Matthew 9:22Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin’ izay ora izay.
Philippians 4:8Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.