Tononkiran'i Solomona 1:12
Raha mipetraka amin’ ny latabany ny mpanjaka, dia mamerovero tsara ny nardako.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
While the king sitteth at his table, my spikenard sendeth forth the smell thereof.
In Context
11Nefa rojo volamena misy voavola mibontsimbontsina kosa no hataonay ho anao.
13Ny malalako dia miora am-pehezana madinika mandry eo an-tratrako.
Read all of Tononkiran'i Solomona 1
Cross References
Song of Solomon 4:13Hianao no saha anirian’ ny ampongabendanitra tsara voa, sady misy kofera sy narda,
Matthew 22:4Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy ka nanao hoe: Lazao amin’ ny efa nasaina hoe: Indro, efa voavoatra ny nahandroko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko, ka efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra; koa mankanesa atỳ amin’ ny fampakaram-bady ianareo.
Matthew 25:34Ary amin’ izany ny Mpanjaka dia hilaza amin’ izay eo amin’ ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin’ ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;
Mark 14:3Ary nony tany Betania Jesosy tao an-tranon’ i Simona boka ka nipetraka nihinana, dia avy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra nisy narda saro-bidy indrindra; dia novakiny ny tavoara, ka naidiny tamin’ ny lohan’ i Jesosy ny menaka.
John 12:3Ary Maria, rehefa naka menaka manitra nisy narda sady tsara no saro-bidy, lanjan’ iray livatra, dia nanosotra ny tongotr’ i Jesosy sy namaoka ny tongony tamin’ ny volondohany; ary feno ny hanitry ny menaka ny trano.
Revelation 3:20Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.