Tononkiran'i Solomona 1:9
Ry tompokovavy havako, ianao dia ampitahaiko amin’ ny soavalivaviko mitarika ny kalesin’ i Farao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
I have compared thee, O my love, to a company of horses in Pharaoh’s chariots.
In Context
10Mahatsara ny tarehinao ireo voahangy voatohy; Manendrika ny vozonao ireo rado.
Read all of Tononkiran'i Solomona 1
Cross References
1 Kings 10:28Ary avy any Egypta no nahazoan’ i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin’ ny mpandranton’ ny mpanjaka dia naka ny andiany iray araka izay vidiny voatendry.
Song of Solomon 1:15Indro, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako; Indro, tsara tarehy ianao; Voromailala ny masonao.
Song of Solomon 2:10Niteny ny malalako ka nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary!
Song of Solomon 4:1Endrey, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako! Endrey, tsara tarehy ianao! Ny masonao dia voromailala eo amin’ ny fisalobonanao; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny an-kilan’ ny tendrombohitr’ i Gileada.
Song of Solomon 5:2Natory aho, nefa nahatsiaro ihany ny foko; Injay! ny feon’ ny malalako, izay mandondòna ka manao hoe: Vohay aho, ry havako ampakariko, Ry voromailalako, ilay ahy tsy misy kilema; Fa vonton’ ando ny lohako, Ny voloko milantolanto dia kotsan’ ny andon’ ny alina.
Isaiah 31:1Lozan’ izay midìna any Egypta hitady famonjena sy miantehitra amin’ ny soavaly ary matoky ny kalesy, satria maro ireny, sy ny mpitaingin-tsoavaly, satria mahery dia mahery ireny, fa tsy manandrandra ny Iray Masin’ ny Isiraely, na mitady an’ i Jehovah.