Tononkiran'i Solomona 1:10
Mahatsara ny tarehinao ireo voahangy voatohy; Manendrika ny vozonao ireo rado.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Thy cheeks are comely with rows of jewels, thy neck with chains of gold.
In Context
9Ry tompokovavy havako, ianao dia ampitahaiko amin’ ny soavalivaviko mitarika ny kalesin’ i Farao.
11Nefa rojo volamena misy voavola mibontsimbontsina kosa no hataonay ho anao.
Read all of Tononkiran'i Solomona 1
Cross References
Genesis 24:22Ary rehefa tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny kavin’ orona volamena iray, lanjan’ ny sasaky ny sekely, sy haba volamena roa, lanjan’ ny sekely folo, hatao amin’ ny tànany;
Genesis 41:42Dia nesorin’ i Farao ny peratra tamin’ ny tanany ka nataony tamin’ ny tànan’ i Josefa, dia nampitafiny rongony fotsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony;
Proverbs 1:9Fa fehiloha tsara tarehy amin’ ny lohanao izany, Ary rado amin’ ny vozonao.
Song of Solomon 5:13Ny takolany dia tahaka ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, dia tahaka ny tany navosaina misy voninkazo manitra. Ny molony dia tahaka ny lilia sady mitete ranon’ ny miora.
Isaiah 61:10Hifaly dia hifaly amin’ i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin’ Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.
Ezekiel 16:12Ary nasiako kavina ny oronao sy ny sofinao ary satro-boninahitra tsara tarehy ny lohanao,