Tononkiran'i Solomona 5:2
Natory aho, nefa nahatsiaro ihany ny foko; Injay! ny feon’ ny malalako, izay mandondòna ka manao hoe: Vohay aho, ry havako ampakariko, Ry voromailalako, ilay ahy tsy misy kilema; Fa vonton’ ando ny lohako, Ny voloko milantolanto dia kotsan’ ny andon’ ny alina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Tononkiran'i Solomona 5
Cross References
Genesis 29:20Dia nanompo an’ i Labana fito taona Jakoba hahazoany an-dRahely; ary toa andro vitsy foana teo imasony izany noho ny fitiavany azy.
Psalms 24:7Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata ianareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran’ ny mpanjakan’ ny voninahitra.
Psalms 119:1Sambatra ny mahitsy lalana, Izay mandeha araka ny lalàn’ i Jehovah.
Song of Solomon 2:8Injay, ny feon’ ilay malalako! Indro, tamy izy ka miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra ary mitsambitimbikina eny amin’ ny havoana.
Song of Solomon 2:14E, ry voromailalako ao amin’ ny tsefatsefaky ny harambato, dia ao amin’ ny fialokalofana amin’ ny fiakarana mideza, aoka hahita ny endrikao sy handre ny feonao aho; Fa mamy ny feonao, sady mahafinaritra ny endrikao.
Song of Solomon 4:7Tsara avokoa izato bikanao izato, ry tompokovavy havako; Tsy misy kilema ianao.