Tononkiran'i Solomona 3:1
Teo am-pandriako nony alina dia mazàna nitady ilay tian’ ny fanahiko aho; Nitady azy aho, fa tsy nahita azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
By night on my bed I sought him whom my soul loveth: I sought him, but I found him not.
In Context
Read all of Tononkiran'i Solomona 3
Cross References
Psalms 4:4Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan’ i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho.
Psalms 22:2Andriamanitra ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao? Lavitra ny famonjena ahy ny tenin’ ny fitarainako.
Psalms 77:2Ny feoko dia mankany amin’ Andriamanitra, ka mitaraina aho; eny, ny feoko mankany amin’ Andriamanitra, ka mihaino ahy Izy.
Psalms 130:1Fihirana fiakarana. Tao amin’ ny lalina no niantsoako Anao, Jehovah ô,
Song of Solomon 5:6Namoha varavarana ny malalako aho, kanjo efa nihodina izy ka lasa; Very hevitra aho tamin’ ny nitenenany; Nitady azy aho, fa tsy nahita; Niantso azy aho, fa tsy novaliany.
Isaiah 26:9Amin’ ny fanahiko no aniriako Anao nony alina; Eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; Fa raha mamely ny tany ny fitsaranao, dia mianatra fahamarinana ny mponina amin’ izao tontolo izao.