Tononkiran'i Solomona 3:6
Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, tahaka ny setroka mitankosina, sady tsara fofona amin’ ny miora sy ny ditin-kazo mani-pofona mbamin’ ny vovoka manitra samy hafa entin’ ny mpandranto?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Tononkiran'i Solomona 3
Cross References
Exodus 13:21Ary Jehovah nandeha teo alohany tamin’ ny andri-rahona raha antoandro hitari-dalana azy, ary tamin’ ny andri-afo nony alina ho fahazavana ho azy, handehanany andro aman’ alina.
Deuteronomy 8:2Ary tsarovy ny lalana rehetra izay nitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao tany an-efitra izao efa-polo taona izao, hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hahalala izay ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia.
Song of Solomon 1:3Mani-pofona ny menakao tsara, menaka manitra voaidina ny anaranao, koa izany no itiavan’ ny zatovovavy anao.
Song of Solomon 4:6Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, dia handeha aho ho any amin’ ny tendrombohitry ny miora sy ny havoan’ ny ditin-kazo mani-pofona.
Song of Solomon 5:5Nitsangana hamoha varavarana ny malalako ihany aho, ary nitete miora ny tanako, eny, ny rantsan-tanako nitete ranon’ ny miora teo amin’ ny famohana ny hidin-trano.
Song of Solomon 8:5Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, mitehina amin’ ny malalany? Teo ambanin’ iny hazo poma no namohazako anao; Teo no niterahan-dreninao anao, eny, teo no nahararian’ ilay niteraka anao.