Tononkiran'i Solomona 4:12
Saha voahidy ny havako ampakariko, loharano voahidy, fantsakan-drano voaisy tombo-kase.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
A garden inclosed is my sister, my spouse; a spring shut up, a fountain sealed.
In Context
13Hianao no saha anirian’ ny ampongabendanitra tsara voa, sady misy kofera sy narda,
Read all of Tononkiran'i Solomona 4
Cross References
Genesis 29:3Ary nangonina teo ny andian’ ny ondry aman’ osy rehetra, dia nakodian’ ny olona ny vato hiala amin’ ny vavan’ ny lavaka fantsakana, ka nampisotroiny ny ondry aman’ osy; ary dia naveriny indray ny Vato ho eo am-bavan’ ny lavaka fantsakana ho amin’ ny fitoerany.
Song of Solomon 6:2Lasa nidina ho any an-tsahany ny malalako, dia any amin’ ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, hiandry ny ondriny eny amin’ ny tanimboly sy hioty ny lilia.
Isaiah 58:11Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin’ ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharanao miboiboika izay tsy mety ritra.
Jeremiah 31:12Ka dia ho avy ireny ka hihoby ao amin’ ny havoan’ i Ziona, dia hitanjozotra ho any amin’ ny zava-tsoan’ i Jehovah, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy ny zanak’ ondry ary ny zanak’ omby; Ary ny fanahiny ho toy ny tanimboly vonton-drano, ka tsy hihamalazo intsony.
1 Corinthians 6:13Ny hanina dia ho an’ ny kibo, ary ny kibo ho an’ ny hanina; nefa samy holevonin’ Andriamanitra izy roroa. Fa ny tena kosa dia tsy ho an’ ny fijangajangana, fa ho an’ ny Tompo; ary ny Tompo ho an’ ny tena.
1 Corinthians 7:34Ary tsy mitovy koa ny vehivavy manam-bady sy ny virijina. Ny vehivavy tsy manam-bady mitandrina ny an’ ny Tompo, mba ho samy masìna avokoa ny tenany sy ny fanahiny; fa izay manam-bady kosa dia mitandrina ny an’ izao fiainana izao mba hahafaly ny lahy.