Bokin'i Isaia 58:11
Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin’ ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharanao miboiboika izay tsy mety ritra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 15:4kanefa tsy dia hisy olo-malahelo eo aminao, fa hitahy anao tokoa Jehovah eo amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao,
Job 6:15Ny rahalahiko mampihambo manana ahy tahaka ny ranotrambo, dia tahaka ny mason-drano any an-dohasahan-driaka, izay malaky ritra,
Psalms 25:9Mitarika ny mpandefitra amin’ ny marina Izy, ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.
Psalms 33:19mba hanafaka ny fanahiny amin’ ny fahafatesana, sy hamelona azy, raha misy mosary.
Psalms 37:19Tsy mba ho menatra amin’ ny andro fahoriana ireny; ary amin’ ny taona mosarena dia ho voky izy.
Psalms 73:24Ny saina omenao no hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin’ ny voninahitra aho.