Bokin'i Zakaria 1:15
Ary tezitra indrindra Aho amin’ ireo firenena miadana; satria Izaho dia tezitra kely ihany, fa ireo kosa dia nampitombo ny fahoriana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Psalms 69:26Aoka ho foana ny tobiny; aza avela hisy hitoetra ao an-dainy.
Psalms 123:4Eny, tototry ny famingavingan’ ny miadana ny fanahinay, Sy tototry ny fanamavoan’ ny mpiavonavona.
Isaiah 10:5Endrey! ry Asyria, tsorakazon’ ny fahatezerako ô, Eny, tehina eny an-tànany ny fahavinirako!
Isaiah 54:8Tamin’ ny firehetan’ ny fahatezerako no nanafenako ny tavako taminao indray mipi-maso monja, fa amin’ ny famindram-po mandrakizay kosa no amindrako fo aminao, hoy Jehovah, Mpanavotra anao.
Jeremiah 48:11Moaba nandry fahizay hatry ny fony izy mbola kely ka niotrika tao amin’ ny faikany, fa tsy naidina nafindrafindra siny, ary tsy mbola lasan-ko babo izy; koa izany no aharetan’ ny tsirony ao aminy sy tsy iovan’ ny fofony.
Jeremiah 51:24Ary hampanodiaviko an’ i Babylona sy ny mponina rehetra any Kaldea ny ratsy rehetra izay efa nataony tao Ziona teo imasonareo, hoy Jehovah.