Bokin'i Zefania 1:15
Andro fahatezerana izany andro izany, Andro fahoriana sy fahalahelovana, Andro fandravana sy fanafoanana, Andro maizina sy manjombona, Andro mandrahona sy maizim-pito.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 13:9Indro, avy ny andron’ i Jehovah, dia loza sy fahavinirana ary firehetan’ ny fahatezerana hanafoanana ny tany sy handringanana ny mpanota tsy ho ao.
Jeremiah 30:7Indrisy! fa lehibe izany andro izany, ka tsy misy tahaka azy; Andro fahoriana ho an’ i Jakoba izany, nefa ho voavonjy ho afaka amin’ izany ihany izy.
Joel 2:11Ary Jehovah mahatonga kotroka eo alohan’ ny miaramilany; Fa lehibe indrindra ny tobiny ary mahery izay manatanteraka ny teniny; Fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron’ i Jehovah, ka iza no mahatanty izany?
Zephaniah 1:18Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin’ ny andro fahatezeran’ i Jehovah, Fa holevonin’ ny afon’ ny fahasaro-piarony ny tany rehetra; Fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka tokoa no hataony amin’ ny mponina amin’ ny tany.
Luke 21:22Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra.
2 Peter 3:7fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin’ izany teny izany ho amin’ ny afo ka tehirizina ho amin’ ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.