Bokin'i Zefania 1:9
Ary amin’ izany andro izany dia hovaliako izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, Dia ireo mameno loza sy fitaka ny tranon’ ny tompony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Samuel 2:15Ary raha tsy mbola nodorany ho fofona ny sabora, dia avy ny zatovon’ ny mpisorona ka nanao tamin’ izay lehilahy namono zavatra hatao fanatitra hoe: Omeo hena hatsatsika ho an’ ny mpisorona; fa tsy haka hena masaka aminao izy, fa ny manta ihany.
2 Kings 5:20Fa hoy Gehazy, zatovon’ i Elisa, lehilahin’ Andriamanitra: Indro, ny tompoko namela fotsiny ity Namàna Syriana ity ka tsy nandray tamin’ ny tànany izay zavatra nentiny, fa raha velona koa Jehovah, dia hihazakazaka hanaraka azy aho ka handray zavatra aminy.
Proverbs 29:12Raha mihaino lainga ny mpanapaka, Dia ho ratsy fanahy ny mpanompony rehetra.
Micah 6:12Fa feno loza ny mpanankarenany, Mandainga ny mponina ao aminy, Ary ny lelany dia fitaka eo am-bavany.
Acts 16:19Ary nony hitan’ ireo tompony fa very ny fanantenany hahazoany harena, dia nisambotra an’ i Paoly sy Silasy izy ka nitondra azy ho any an-tsena any amin’ ny lehibe;