Bokin'i Zefania 1:10
Ary amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Dia hisy feo re mitaraina any am-bavahadin-kazandrano, Sy fidradradradrana ao amin’ ny tanàna ambany, Ary fidarabohana miezinezina any amin’ ny havoana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Samuel 5:9Dia nitoetra tao anatin’ ny batery fiarovana Davida, ary ny anarany nataony hoe: Tanànan’ i Davida. Ary narafitr’ i Davida ny manodidina hatrany Milo mbamin’ ny ao anatiny.
2 Chronicles 3:1Ary Solomona nanomboka nanao ny tranon’ i Jehovah tany Jerosalema, tao an-tendrombohitra Moria, ilay nisehoan’ i Jehovah tamin’ i Davida rainy, dia ilay namboarina teo amin’ ny fitoerana nofidin’ i Davida teo amin’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.
2 Chronicles 33:14Ary rehefa afaka izany, dia nanao manda teo ivelan’ ny Tanànan’ i Davida izy, dia teo andrefana hatrany Gihona, eo amin’ ny lohasahan-driaka, ka hatramin’ ny fidirana amin’ ny vavahadin-kazandrano, ary nataony manodidina an’ i Ofela sady nataony avo dia avo; ary nanendry izay ho komandin’ ny miaramila ho any amin’ ny tanàna mimanda rehetra any Joda izy.
Isaiah 22:4Koa izany no anaovako hoe: Mihodìna tsy hijery ahy, fa hitomany mafy dia mafy aho; Aza dia fatra-pampionona ahy noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy
Jeremiah 4:19Endrey ny kiboko! Endrey izany kiboko! Manaintaina aho; Endrey! mila ho triatra izany ny foko! Mitoloko ny foko, ka tsy mahay mangìna aho; Fa ny feon’ anjomara sy ny akoran’ ady dia renao, ry fanahiko.
Jeremiah 39:2ary nony tamin’ ny andro fahasivy tamin’ ny volana fahefatra tamin’ ny taona fahiraika ambin’ ny folo nanjakan’ i Zedekia, dia nisy voabanga ny tanàna),