Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 14:34
dia aoka hangina ny vehivavy raha ao am-piangonana; fa tsy avela hiteny izy, fa aoka hanoa tsara araka ny lazain’ ny lalàna koa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 14
Cross References
Numbers 30:3Raha misy lehilahy mivoady amin’ i Jehovah, na mianiana hamehy ny fanahiny hifady, dia tsy hitsoa-teny izy; araka izay rehetra naloaky ny vavany no hataony.
1 Corinthians 11:3Ary tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan’ ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan’ ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan’ i Kristy.
1 Corinthians 11:7Ny lehilahy dia tokony tsy hisaron-doha, satria endrika sy voninahitr’ Andriamanitra izy; fa ny vehivavy kosa no voninahitry ny lehilahy.
1 Corinthians 14:35Ary raha misy tiany hianarana, dia aoka izy hanontany ny lahy raha mby any an-trano; fa mahamenatra raha miteny ao am-piangonana ny vehivavy.
Ephesians 5:33Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy.
1 Timothy 2:11Aoka ny vehivavy hianatra mangingina ka hanaiky tsara.